<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ray o! mba faniriako,
 Raha toa ka sitrakao
 Ny handova lanitra
 Dieny ety an-tany
 Kanefa tsy izaho irery
 F'ireo izay mino Anao
 Hiaraka amiko
 Hatrany hatrany.

[C1]
   Endrey ny fiainanay anilan-dRay
   Ny Tompo iray, Fanahy iray
   Iraisana avokoa 'reo asa soa
   Iray ny fo, iray ny loha
   Ray o! nahoana moa e!
   Raha atomboka anio?

[V2]
 Ray ô! mba faniriako
 Raha toa ka sitrakao
 Ny ho zanaka manoa
 Feno fahendrena
 Hilofo hatrany koa
 Hamita ireo asanao
 Ka tsy hirehareha
 Fa hanetry tena.
 Endrey ny fiainanay anilan-dRay sns...</lyrics>
<title>Faniriako FF39</title>
<hymn_number>39</hymn_number>
</song>